Nandiso fanantenana ary tena mahonena. Izay no azo hamehezana ny fiatrehan’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Fihaonana tanterahina any Nouakchott, Mauritanie. Na nahazo medaly alimo aza, nody maina ny delegasionina, satria tsy izany no nifanarahana fa ny ho tompondaka. I Madagasikara rahateo no voalohany aty Afrika. Vokatra faran’ izay ratsy hatramin’izay ity azo ity. Raha noheverina ho “favori” ny Malagasy, ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Firenena any aoriana lavitra no nanozongozona ny Malagasy. Anisan’izany i Comores izay tsy milahatra amin’ny Malagasy hatramin’izay.
Efa narahina iny ny hetahetan’ny mpitantana sy ny mpilalao fa izay ekipa mahazo ny anaram-boninahitra no miatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena. Niaraha-nahita fa tsy nisy ny vokatra raha mitaha amin’ilay hoe ekipam-pirenena. Tamin’ireo fifaninanana efatra niadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2025, tsy nihoatra ny manasa-dalana ny Malagasy, raha nieritreritra ny haka anaram-boninahitra ho fankaherezana ny olon-telo miaraka. Resin’i Sénégal, tamin’ny isa 13 no ho 7, izy ireo, omaly. Nangidy ny roa satria Sénégal, izay efa resy tany amin’ny fifanintsanana no afa-bela. Fotoana izao hieritreretana fa manomboka mitotongana indray ity taranja ity.
Tompondaka




