SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 29 sy 30 novambra izao, ao amin’ny Paul Minault Androhibe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja échecs, ho an’ny sokajy Jeunes. Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ity fifaninanana ity. Misokatra ho an’ny mpilalao échecs manerana ny Nosy, izay mijoro ara-dalàna eo anivon’ny Federasionina malagasy ny lalao.

Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), fantatra omaly fa efa nomen’ny filohan’ny Federasionina an’ireo mpitsara ny taratasim-bola manefa ilay trosa tokony halohan’ny rafitra federaly ho an’ireto mpitantana ny lalao eo ambony kianja ireto. Azo antenaina, araka izany, fa efa milamina iny resaka mpitsara iny ary miandry ny fahavitan’ny diviziona faharoa nasionaly ny mpan­kafy baolina kitra.

Lavon’ny Arsenal, klioba anglisy, tamin’ny isa, 3 no ho 1, ny ekipan’ny Bayern Munich, alemà, afakomaly, tao amin’ny Kianja Emirates Stadium. Fihaonana tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des champions LDC ». Mipetraka eo amin’ny laharana voalohany, araka izany, ny Arsenal FC, klioba izay tsy mbola resy mihitsy tamin’ity « LDC 2025-2026 » ity.

Partager sur: