Anisan’ireo mpahay kanto marolafy i Mamy Rakotoarimalala. Nisongadina kokoa izy teo amin’ny tontolon’ny teatra sy ny dihy, hatrany ivelany izany. Nodimandry teo amin’ny faha-86 taonany ity mpanakanto ity.
Andrarezin’ny kanto malagasy iray indray no lavo. Nodimandry, omaly, i Mamy Rakotoarimalala, mpanakanto nanan-talenta marolafy, ka nanamarika ny tontolon’ny zavakanto nandritra ny taona maro. Mpamoron-kira, mpihira, mpilalao teatra, mpaka sary, mpamorona tantara an-tsehatra, mpandrindra an-tsehatra, mpandihy, mpamorona soradihy, mpampianatra momba ny zavakanto, mpitarika tropy mpanao teatra sy mpanao soradihy, sns izy. Tsy tambo hotanisaina raha ny vitan’i Mamy R. teo amin’ny tontolon’ny zavakanto.
Tsy nahagaga loatra izany talentany izany, raha nampahafantatra ny fototra niaingany i Mamy R. tamin’izany fotoana. Nivoaka avy amina fianakaviana maro mpanakanto mantsy izy. Mpamoron-kira ny rainy ary mpihira kosa ny reniny. Fetim-piangonana no nanombohany nizara ny sehatra tamin’ny fahakeliny. Tao amin’ ny tropy notarihin’i Odeam Rakoto sy ny tropin’i Lesth Andriambelo kosa no nakany ny fototra teo amin’ny teatra, ary niditra ho matihanina tamin’izany izy, ny taona 1956. Nitrandraka ny dihy ihany koa i Mamy Rakotoarimalala tamin’io vanim-potoana io, ka ny fitambaran’ireo talentany ireo no nampisongadina azy. Nanovo fahalalana tamin’ilay frantsay mpandrindra an-tsehatra, Raymond Hermantier, ka lasa mpandrindra soradihy sy teatra tao amin’ny Radio Madagasikara i Mamy. Taorian’izay, mbola nanohy ny fikarohany tao amin’ny Centre culturel Albert Camus sy tao amin’ny Ivokolo amerikaninina ihany koa izy, momba ny karazan-dihy maro. Vao 22 taona izy, ny taona 1961, no lasa mpandihy fototra tao amin’ny Troupe Ravinala izay Tropy nasionaly malagasy. Vanim-potoana iray niavaka io, tamin’ny nanaovana fampisehoana maromaro tany Afrika sy tany amin’ireo Nosy ato amin’ny ranomasimbe Indianina.
“Lalao mahafinaritra” ny lohatenin’ny hira noforoniny voalohany, ny taona 1965. Nalaza indrindra kosa ny “Hafa ny taloha”, Niarahany nihira tamin’ireo iray tampo aminy. Niditra ho mpihira tao amin’ny tarika Mr Razafy kosa izy, ny taona 1968. Lafiny maha mpilalao teatra, namorona piesy teatraly maro toy ny “Tombozara, “Tsingerim-panina”, “Tonom-bavaka ho anao”, “Fitiavana marina”, “Sangodim-pitia” na fitiavana taon-jato faha-20” izy. Mazava loatra fa ny “Ny fitiavako” izay nivoaka ny taona 1965 no nalaza indrindra, izay nentin’ny tropy Ny valiha an-tsehatra in-127 teto an-drenivohitra. Tropy nantsangany sy notarihiny, namelona ireo sanganasany izy ity, ary nahavita seho maro.
Efa mpampianatra ny zavakanto nentim-paharazana teny amin’ireo sekoly maro teto an-drenivohitra, ary tale ara-javakanton’ny tropy Imadefolk i Mamy R. Manampy ireo rehetra ireo, mpaka sary ary tompon’ny Studio Mamy tetsy Besarety. Namela kanto marobe ity andrarezina ity…
Zo ny Aina




