Sambasamba… Nidina ifotony voalohany tany amin’ny faritra ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nambarany fa hiainga avy aty Toliara ny atao hoe fandrosoana.
“Antenaintsika fa hiainga avy aty Toliara ny atao hoe fandrosoana. Ny tena anton-dianay aty, mampiseho ny fihainoana anareo vahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fidinana ifotony voalohany tany amin’ ny Faritra, Toliara, afakomaly, niaraka tamin’ny mpanolotsaina avo iray sy minisitra telo. Inona no hetahetan’ny vahoaka? Mba hohenoina mivantana izany fa tsy miampitampita. Tsy ho vitan-dry zareo irery ny fanavaozana fa ilaina ny fifampiresahana any amin’ ny faritra. Hisy ny fikaonandoham-paritra hamoahan’ny vahoaka ny hetahetany. Tena efa lo sy simba ny raha novantanin’ny fitondrana. Nasiany teny ny fisian’ny fisandohana ny fitondrana amin’izao. Maromaro ny olona mandefa hafatra sy resaka amin’ny tambajotran-tserasera milaza fa nalefan’ny fitondram-panjakana. Toromarika nomeny ny hisamborana izay manao izany: ho hita eo hoe ry zareo tokoa ve no nandefa azy?
Nisokatra ho an’ny rehetra ny fifanakalozan-kevitra, nandraisan’ireo tanora Gen Z any an-toerana anjara. Teo koa ny mpianatry ny Oniversiten’i Toliara sy ireo mpampianatra mpikaroka ary ny mpandraharaha ara-toekarena. Maro ny fanontanian’ny tanora sy ny Gen Z, indrindra ny amin’ny tolona ho amin’ny fanavaozana eto Madagasikara. Nanomezan’ny filoham-panjakna fanazavana sy valiny mivantana avokoa ireny. Porofo fa manome lanja ny fandraisan’ ny tanora anjara amin’ny fananganana hoavy vaovao ho an’ny firenena ny fitondrana tarihiny. Nohamafisiny fa miainga avy eny ifotony ny fampandrosoana maharitra, ary mitaky fanovana toe-tsaina izany. “Zava-dehibe ny feon’ ny tanora ao anatin’ny fanavaozana, satria tsy azo sarahina amin’ny fanorenana Repoblika matanjaka sy maharitra ny fandraisan’izy ireo anjara”, hoy izy.
R. Nd.




