FANTINA sy FINTINA

Vonona handray anjara amin’ny dingana hahatongavana amin’ny fanavaozana ny eo anivon’ny fikambanana Silamo sy ny “Comité nationale de concertation citoyenne des Musulmans ». Noraisin’ny minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repo­blika misahana ny fanavaozana, Razafimanan­tsoa Hanitra, izy ireo, omaly.
Mangataka ny Pr Rabesa Zafera Antoine hatao lehiben’ny faritra Boeny ireo tangalamena sakalava. Anisan’ny miandrandra ny fanendrena azy ireo ray aman-dreny mpandala ny fomba sakalava, ireo olobe mpitahiry ny fomban-drazana ao amin’ny doany Miarinarivo efa-dahy manan-kasina ao Tsararano Am­bony, Mahajanga.
Maherin’ny 2 000 ireo kandidà nametraka dosie firotsahana ho lehiben’ny faritra miisa 24. Nila­harana ny fanaterana izany teny amin’ny minisiteran’ ny Atitany Anosy, omaly. Mbola maro koa anefa ireo nametraka ny antontan-taratasiny any amin’ny faritra tsirairay. Tsiahivina fa nifarana omaly ny fe-potoana fanaterana izany.
Hentitra ny eo anivon’ny Otrikafo, amin’ny alalan’ny mpitarika, Rabevahiny Elia. Nambarany fa mila mokondoha sy fitiavan-tanindrazana ary finiavana politika ny fanovana. Azo atao ny miala amin’ny mpamatsy vola. « Mila ekipan’ny filoha hitondra ireo pai­kady hanarenana ny firenena fa tsy hofendrofendroin’ ny sasany eto isika », hoy izy.

Partager sur: