H.D.A-Com/Nat.Unesco : Saba-droa lela ny fampiasana ny finday…

Nifarana omaly, ilay tetikasa momba ny fampiasana ny finday sy ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy, ho an’ny tanora. Notan­tera­hin’ny ONG Human Develop­ment Action (H.D.A) sy ny fandraisan’anjaran’ny Vaomie­ram-pirenena malagasy Unes­co (Com/Nat) izy ity. Lohahe­vitra telo lehibe no nofakafakaina sy nisintonana hevi-dehibe maro. Teo ny fi­tondran-tena manoloana ny fampiasana ny finday. Misy lalàna ny sehatra fifanera­se­rana sy ny fampiasana ny tam­bajotran-tserasera ary ny fampiasana ny tambajotran-tserasera ho any amin’ny fanabeazana ho olom-ba­nona.
Fantatra tamin’izany fa saba-droa lela ny fampiasana ny finday sy ny tambajotran-tserasera ka mila fitandre­mana. Mitaky fanabeazana ho an’ny tanora izany. Mila fitondran-tena sy fifehezan-tena, tsara, maharitra ary mateza mba tsy hanimbana ny tena sy ny manodidina. Tany anivon’ ny sekoly Lycée, oniversite, fi­kambanana samihafa no nanatanterahina ny fampitan-kevitra, fifanakalozan-kevitra, fanentanana ary adihevitra… Tanora 6 292 no nahazo izany teto Antananarivo, distrikan’i Manjakandriana, Toamasina ary Mahajanga.
Marihina fa tafiditra ao ana­tin’ity tetikasa « fampiasana ny finday sy ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy » ity ihany koa ny fampiofanana momba ny fiarovana ny tahiry manokan’ny tsirairay (données personnelles). Eo koa ny ady amin’ny fanele­zana vaovao tsy marina, ny fibeazana maha olona manoloana ny niomerika ary ny fiantraikan’ny teknolojia eo amin’ny fahasalamana (va­tana, saina).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: