Feno 80 taona : Mpanakanto feno i Nalisoa Ravalitera

Vitsy ny manan-talenta tahaka azy ! Saika tazana ao amin-dRabenalisoa Ravalitera Jean na i Nalisoa Ravalitera avokoa ny talenta kanto. Ny 28 desambra teo, tao amin’ny Ivokolo Analakely (efitrano Charles Ravaloson) no nanamarihana sy nankalazana ny faha-80 taonan’ity akademisianina andrare­zin’ny zavakanto ity. Noporofoina niaraka tamin’ireo nasaina tamin’izany fa sady poety izy no mpanoratra, mpampianatra, mpikabary, mpamoron-kira, mpihira… Afaka mitendry zavamaneno ihany koa.
Hetsika « Mbarakalin’ny Havàtsa ho an’i J. Nalisoa Ra­vali­tera », nahenoina sy nahitana fa olon’ny fifanakalozan-kevitra i Nalisoa Ravalitera. Tia manampy ny hafa amin’ny lafiny maro indrindra fa amina anti-panahy, olon’ny zavakanto ary mpanabe azy. Tsikaritra ihany koa ilay fananany talenta amin’ ny fanjohin-kevitra mandritra ny tafa ifanaovana aminy.
Ho an’ireo mpanatrika : « hainy sy voafehiny tsara ny nampiasa ireo talenta maro ao aminy. Tsy vitsy noho izany ireo nanovo soa avy taminy ».
Ny Tafasiry Kolokanto sy ny tarika Fangia kalo Gasy ary ny Chorale UCM no nandravaka ity hetsika tamin’ny faran’ny herinandro ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: