Diplaomasia malagasy : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona afrikanina

Tsy mbola foana ny fampiatoana ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny UA. Eo ny fitakiana tondrozotra marimaritra iraisana ho amin’ny fanatanterahana fifidianana. Manamafy ny fahavononana hiara-miasa ny Raharaham-bahiny…

Nohamafisin’i Madagasi­kara ny fahavononany hiara-miasa akaiky amin’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hisian’ny fitoniana maharitra sy ha­mahana ny hetahetan’ny mponina ara-drariny. Izay ny fa­nambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, voaray omaly, manoloana ny fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny fandriampahalemana sy ny filaminana (CPS) eo anivon’ny UA, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mitaky ny hisian’ny tondrozotra marimaritra iraisana hiverenana amin’ny lamina araka ny lalàmpanorenana ry zareo. Ho amin’ny fanatanterahana fifidianana noho ny toe-draharaha eto an-toerana izany.
Mamerina ny antso avo i Madagasikara, resy lahatra fa tsy azo atao ny fanohanana sy fanampiana, indrindra amin’ny fitondrana sazy ny amin’ny nampiatoana ny maha mpikamban’ny UA azy, izay tokony hatsahatra tanteraka. Man­kasitraka ny torolalan’ny CPS ny minisitera, izay miendrika ho amin’ny fanorenana sy fa­halalana ny fanazavana ny ezaka fampahafantarana ho amin’ny fanamafisana ny andrimpanjakana sy ny firosoana ho amin’ny dingana fa­narenana nasionaly.
Voamarika manokana amin’izany ny amin’ny fanamafisana ny foto-kevitry ny UA, manaja ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena ary ny maha mpikambana an’i Madagasi­kara amin’ny fanehoana firaisankina amin’ny vahoaka malagasy. Eo koa ny fankatoavana ny fiaraha-miasa eo amin’ny ma­nampahefana eto an-toerana ho amin’ny fanorenana ifotony sy ny UA. Tsy latsak’izany ny fitananana sy ny fanarahana ny fiaraha-miasa ary ny fiombonana antoka amin’i Madagasi­kara, indrindra ny lafiny sosialy sy toekarena ary ny maha olona. Laharam-pahamehana eo amin’ny diplaomasia ma­lagasy amin’izao fotoana izao rahateo izany.

R. Nd.

Partager sur: