Hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ). Nohamafisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay tamin’ny televiziona rosianina iray, tamin’ny herinandro. Lasa adihevitra… Natao hitsarana ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny HCJ, araka ny lalàmpanorenana. “Ny fihaonambem-pirenena tamin’ny 2010 no nametrahana ny HCJ. Noho izany, ny fikaonandoham-pirenena koa no tokony hijery ny hoe: tena ilaina ve izay tombontsoa manokana amin’ny raharaham-pitsarana izay?” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Farafangana sady mpahay lalàna, Raby Savatsarah Ain Harimanga Gabrielle, momba izay.
Misy ny firenena mametraka an’izay fitsarana manokana izay. Nefa izay ve no hampandroso antsika amin’ny filaminana ao anatin’ny vahaolana maharitra ny fitantanana sy fiadiana amin’ny tsimatimanota? Mila manaiky ny rehetra ny amin’izay. Hampiharina mitovy ho an’ny rehetra ny lalàna. Antony manokana tokony hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena izay. Amin’ izany no tokony hahitana ny hetahetan’ny vahoaka. Raha hanafoana rafitra iray, jerena izay maha tsara sy maha ratsy azy. Fa tsy ny fanenjehana na fiarovana olona manokana no hanafoanana na tsia ny rafitra iray.
R. Nd.




