« Bâtir l’espoir » : Nivoaka nankany France ny bokin’i Viviane Rahariniaina

Fitaovana iray mahomby ho an’ny ady amin’ny tsy rariny anaty fiarahamonina ny boky. Mampibaribary ny zava-misy, saingy mamelombelona ny fanantenana ho an’ny hoavy tsara kokoa.

«Bâtir l’espoir» na «Ma­nangana fa­nan­te­nana» raha adika malalaka. Tsy fintina fo­tsiny ny lohateny, fa maneho avy hatrany ny hafatry ny mpanoratra, Viviane Rahari­niaina. Nivoaka tamin’ny voalohan’ny volana septambra teo ity boky ity, izay novokarin’ny mpanoratra ihany. Fan­tatra kosa izao fa hisy edisiona vaovao hivoaka any Fran­ce, noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny L’Har­mat­tan. «Tsy miova ny vontoatiny sy ny ha­fatra hampitaina, fa nisy kosa ny fanatsarana kely nentina, teo amin’ny firafitra sy ny fizarana sasantsany, mba hanasongadinana bebe kokoa ny asa sosialy eto Madagasikara. “Taorian’ny ni­voahan’ny boky voalohany, tsapanay fa nisy fiovana ma­nome fanantenana, nisy fihe­tseham-po maro, sns. Amiko tena fahombiazana ny boky », hoy ny mpanoratra.
Nahakasika sehatra ma­ha­rary anatin’ny fiarahamonina tokoa ny mpanoratra anatin’ity boky ity. Anatin’ny vanim-potoana anjakan’ny tsy rariny, krizy isan-karazany, fizarazarana, sns, tokoa mantsy ny fi­renena. Ahoana no mbola ha­nanana fanantenana ho an’ny hoavy ? Ny valin’izay fanontaniana izay indrindra no nanosika an’i Viviane Rahariniaina nampahafantatra ireo tsy mbola mahalala, nanampy fa­nazavana ho an’ireo efa ma­halala fa indrindra nanome ny vahaolana. Misy fandresen-dahatra miainga amin’ny faha­tsapana fa azo hiadiana ny tsy rariny rehetra anaty fiarahamonina ao. Miantso ho an’ny firaisankinan’ny tsirairay ihany koa izy satria tsy ny fitsitokotokoana mihitsy no hanatsara fiarahamonina. Natao indrindra aza, ho an’ireo tsy manaiky ny fiononana fotsiny, fa te hitroatra satria mbola mahatoky ny firaisankina, ny rariny sy ny hitsiny.
Mpisehatra eo amin’ny ady ho an’ny zon’olombelona i Viviane Rahariniaina. Mpan­dra­haraha ara-tsosialy ary mpanetsika fikambanana mi­ady amin’ny tsy rariny anaty fia­rahamonina ihany koa. Mpa­norina ny Fleurs éveillées Ma­da­gascar izy ary filoham-paritry ny Women Up Africa ihany koa. Nandritra ny taona maro izy no nanentana amin’ny tsy fiankinandohan’ny vehivavy anaty fihariana, tamin’ny alalan’ireo karazam-panabeazana isan-tsokajiny. «Te ho mpitondra tenin’ireo tsy afa-manoatra manoloana ny tsy rariny aho», hoy ny mpanoratra.

Zo ny Aina

Partager sur: