Raikitra! Hiavaka ny hamaranana ny taona 2025 ho an’ny Sehatra Bagasy sy ireo mpivoy sy mpanandratra ary mpikolokolo ny bagasy. Hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola ny « Atrikefa famaranan-taona 2025», ny sabotsy 6 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. «Hanamboarantsika fehezam-boninkazo ho an’ny taona 2025. Hiarahantsika mifaly sy mikorana… », hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra bagasy, raha namintina ny ho fandaharam-potoana amin’io lanonana io.
Marihina fa vina ho an’ity sehatra lehibe ity ny iainan’ny Malagasy ny gadona sy ny kolontsaina bagasy. Tanjona koa ny hampiroborobo ny gadona bagasy. Ireo hetsika rehetra (Zara sehatra, atrikefa, sehatra malalaka…) tanterahin’ny Sehatra Bagasy ao anatin’ny taona. Mikendry hatrany ny hahatongavana sy hahavitana ireo dingana sy tanjona ireo.
Hevi-diso ny filazana fa ny zokiolona na ny antitra no tia bagasy. Ahitana ny sokajin-taona rehetra ny fitiavana io gadona io. Tao anatin’ny 10 taona, nitombo ny tanora liana amin’ny fitrandrahana (mikaroka, mitendry, mihira…) ny bagasy. Nandray anjara lehibe tamin’izany ny Sehatra Bagasy.
… Iray amin’ireo akora, na fitaovana nentin’ny Malagasy nanabe ho olom-banona ny taranany ny bagasy. Ny fo sy ny saina ary ilay « fanahy no olona » no voataizan’ity karazan-gadona ity.
HaRy Razafindrakoto




