TARATRY ny KANTO

Hisy ny fampirantiana sary, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Hisokatra manomboka anio izany, hatramin’ny zoma 5 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo izy ity, ho fanehoana ny herin’ny asa an-tsitrapo eny anivon’ny fiarahamonina ireo sary nofantenana. Sary manaitra, feno hafatra, sy fihetseham-po, maneho ny fandraisana anjaran’ny olon-tsotra amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina.
Manentana ny rehetra amin’ny fanajana ny fadin-tany ny kaominina Antehiroka. Vanim-potoan’ny fahavaratra latsaka orana izao, ka entanina ireo tantsaha, mpivarotra sy ny mponina rehetra tsy hamboly sy hivarotra tongolo (maitsokely, tongolobe, tongolo gasy), tsy hipai-bato, tsy hanaha lamba eny amin’ny fefiloha, tsy hielo an-tanimbary sy fefiloha, tsy hiompy sy hampiditra osy sy soavaly, sns. Manana ny fadin-tany ny toerana maro, ary anisan’ny mitahiry sy sarotiny amin’izy ireny Antehiroka.
Hotontosaina rahampitso ny famaranana ny « Slam Media 2025 ». Nivoaka omaly ny lisitr’ireo tafakatra isan-tsokajy. 4 amin’izy ireo no anaty sokajy « Slam media kids ». 13 kosa no anaty sokajy « Slam media open ». Hifandona ao amin’ny AFT Andava­mam­ba, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ireto mpifaninana ireto, ka ho fantatra amin’io izay hisalotra ny anaram-boninahitra. Mbola anatin’ny hetsika « Festival Madagaslam » andiany faha-16 ihany izy ity.

Partager sur: