Nanao ny fianianany ny filoha lefitra faharoa eo anivon’ny Ceni, omaly. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny momba ny tontolon’ny fifidianana.
«Iarahan’ny rehetra mahafantatra sy manaiky fa mila fanatsarana ary mitaky fanavaozana ny fikarakarana sy fitantanana fifidianana eto Madagasikara. Noho izany, tsy maintsy horaisina ny andraikitra rehetra hahazoana mametraka didy aman-dalàna vaovao hifehy izany”. Io ny fanazavan’ny filoha lefitra faharoa vaovao eo anivon’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, taorian’ny fianianany. Eo koa ny hahazoana mametraka rafitra tena matihanina tsy miandany sy tsy mitanila. Hahazoana mikarakara fifidianana marina sy azo antoka ary hanome vokatra eken’ny rehetra izany, ka handraisan’ny rehetra anjara. Atao koa ny fomba rehetra hanatsarana sy hanamafisana ny fanabeazana ny vahoaka. Mba tena ho mpandray anjara mavitrika sy ho sahy hiaro ny safidiny ny Malagasy mpifidy.
Fanapahan-kevitry ny governemanta
Fanapahan-kevitry ny governemanta ny fampiatoana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale), tokony ho natomboka ny 1 desambra, ho fandaminana sy hahatsaratsara kokoa ny fanavaozana sy fanamboarana lisitra. Isaky ny folo taona ny fanavaozana manontolo. Amin’izao, tsy mbola tokony hatao izay. Vao taona vitsivitsy izay no nanaovana azy. Nefa ny fitondram-panjakana no tomponandraikitra amin’izany, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ho hita eo… Ny andrasana amin’izao fanavaozana ny Repoblika izao: mba tena handray ny andraikiny ny mpanao lalàna. Hanatanteraka izay tolo-kevitra tapaky ny besinimaro na izay lalàna hatolotry ny rehetra hahazoana manao fifidianana madio.
R. Nd.




