Nandray anjara fitenenana tamin’ny fivoriana faha-24 ataon’ny fanjakana mpikambana eo anivon’ny Fitsarana heloka bevava iraisam-pirenena (CPI), tany La Haye, Pays-Bas, afakomaly, ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa. Soso-keviny ny hampidirana ny heloka bevava momba ny fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana ho anisan’ny heloka azo henjehina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Kendrena amin’izany ny hanasazy ireo endrika lalina sy rafitra matanjaka amin’ny fanaovana kolikoly, rehefa misy vondrona na olona manampahefana manararaotra sy mifehy ny rafi-panjakana. Eo koa ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sy ny harena voajanahary ho amin’ ny tombontsoa manokan’ izany vondrona na olona izany.
Manamafy ny ady ataon’i Madagasikara amin’ny tsimatimanota sy ny kolikoly ary ny fananganana fanjakana tan-dalàna matanjaka sy mangarahara amin’ny fametrahana izany eo anivon’ny CPI izany. Amin’izay fandraisana andraikitra izay, eo ny fahavononana hitarika sy hitondra ny anjara biriky amin’ny fanatsarana ny lalàna famaizana iraisam-pirenena ho tombontsoan’ny vahoaka. Niaina tao anatin’ny fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana i Madagasikara nandritra taona maro, 2009 hatramin’ny 2025. Tsy fanamparam-pahefana tsotra fotsiny izany, fa fanalalahana ny fanjakana ho amin’ny tsy miankina hisian’ny tsy rariny. Tsy afa-miasa araka ny tokony ho izy ny fitantanan-draharaham-panjakana noho ny tombontsoan’olom-bitsy. Amin’izao fotoana izao, i Madagasikara no firenena fahdimy mahantra indrindra maneran-tany, na eo aza ny harena rehetra ananany.
R. Nd.




