Fanabeazana : Nopotehin’ny ray aman-dreny ny tenin-drazana

Manana ny hasiny ny tenin-drazana. Ny fivelaran’io hasina io no manenika ny tontolon’ny fanabeazana ka mitondra mankany amin’ny « lala-marina ». Ny an’ny Malagasy tsy mba izay loatra…

Eo anatrehan’ny ray aman-dreny, tsy lavitra fa ao an-trano… Zanaka tsy mahay miteny sy manonona ny tenin-drazany. Tanora mi­ambakavaka maneho hevitra amin’ny teniny. Ankizy tsy mahay manavaka ny « ma­heno » sy ny « mandre »… Fa, mitazam-potsiny ny ray aman-dreny manoloana tranga ta­haka ireo. Tsy mahita tene­nina? Tsy sahy maneho hevitra manoloana ny fahadisoana sy lesoka eo amin’ny zanany? Iray amin’ireo namotika ny tenin-drazana ny ray aman-dreny.
Vao hanomboka hianatra ny zaza. Mikely aina fatratra ny ray aman-dreny mitady se­koly hampianarana ny zanany. Tadiavina fatratra ireo mampianatra amin’ny teny vahiny sy mampiasa ny fomba fanabeazana tahafina avy any ivelany… Satria, te haneho amin’ ny manodidina fa any amin’ itsy sekoly mampiasa ny teny vahiny itsy ny zanany no mianatra. Ireny sekoly ireny man­tsy « an’ny olona ambony » mitovy amin’ny vahiny… No­potehin’ny ray aman-dreny ny tenin-drazana.
Nandray anjara mivantana sy ankolaka tamin’ny famotehana ny tenin-drazana ny ray aman-dreny. Tsy kely fa goavana be ny fiantraikan’izany eo amin’ny toe-tsain’ny taranaka sy ny hoavin’ny fiarahamonina ary ny firenena iray manontolo. Manana toe-tsaina sadasada sy fiheveran-tena ho lesoka manoloana ny hafa, indrindra fa ny vahiny…. Soa ihany fa tsy ny ray aman-dreny rehetra.
Ray aman-dreny kanosa? Tsy mahataka-javatra? Tia endrika ivelany?… Ray aman-dreny tsy sahy mitondra ny hasina nomena azy? Mpa­nivaiva ny an’ny razany? Raha mbola tahaka ireo ny toetra mibahan-toerana ao amin’ireo nahitana masoandro, tsy misy fiarahamonina sy firenena handroso izany eto.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: