« Madagaslam Festival » : Hizara ny traikefany eto i Nico K

Vahiny manokan’ny « Ma­da­gascar Festival », amin’ity andiany faha-16 ity, i Nico K. Tonga omaly ity poeta, mpanao slam, mpanao rap fran­tsay ity, izay fanta-daza amin’ ny filalaovany ny teny. Niso­katra omaly mantsy ilay « Ex­poétique », etsy amin’ny IFM Analakely. Fampirantiana tsy mitovy amin’izay fahita fa anambaran’i Nico K ny fifandraisan’ny lahatsoratra sy ny sary amin’ny endriny maro, ka mamerina any amin’ireo mpi­tsidika ny fandraisany ny hafatra amin’ny sanganasa tsirairay. Mpilalao zavakanto marolafy ity vahiny ity, ka hainy ny misintona ny tsirairay handray araka izay tandrify azy ny he­rin’ny soratra, amin’ny alalan’ ny kisary voafantina. Mbola manana hatramin’ny 24 jano­ary izao ireo liana amin’ny he­tsika « Expoétique ».
Satria ny hizara no tena anton-diany, hanolotra an-tsehatra ny « 100% Impro » ihany koa izy, ny zoma izao, ao amin’ ny efitranon’ny IFM Ana­lakely ihany. Tsy misy fanomanana fa izay aingam-panahy mivo­aka, arakaraka ny lohahevitra safidiana sy miserana atolotry ny mpijery rehetra eo no ha­mohan’ity mpanakanto ity ny sehony. Hanaingo ny kilalaon-teny entin’i Nico K., mandritra izany, i Njaka Rako­tonirainy, mpitendry pia­no fanta-daza amin’ny talentany. Mialoha izay, haneho ny sanganasany, nahazoany ny anaram-boninahitra tompondaka 2024 ta­min’ny slam, i Orad.
Ny sabotsy 6 desambra izao ny tena resadresaka mi­vantana amin’i Nico K. Hi­zara ny fijeriny ny slam maneran-tany, hanome torohevitra raha ilaina, fa indrindra hanentana ireo mpisehatra mba hitozo ka hikaroka ny lalana mankany amin’ny fahombiazana. Afaka hivelarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mantsy ny slam, indrindra fa saika milalao ny teny frantsay avokoa ireo mpisehatra eto Mada­gasikara. Hanotrona ny famaranan’ny fifaninanam-pire­nena slam ihany koa i Nico K. ny alin’io sabotsy io ihany, ka afaka manome torohevitra sahady ho an’izay hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ ny fifaninanana izay ho tompondaka maneran-tany.

Zo ny Aina

Partager sur: