TARATRY ny KANTO

Hivoaka tsy ho ela ilay boky « Kanton’ny ta­niko » O’Suzah-Barijaona, nosoratan’i Liva Ramora­sata, mpampianatra sady mpikaroka eo amin’ny tontolon’ny mozika sy ny tantara. Boky mirakitra ireo hira miisa 21 novetsoin’ireo andrarezin’ny zavakanto mala­gasy ireo (O’Suzah-Barijaona). Anisan’izany ny « Avia hilalao », « Bako », « manimanina… Ahitana ihany koa ireo tantara nisongadina manokana tamin’ny fiainan’i Barijaona.

Fampisehoana iarahana amin’ny Solika. Zoma 5 desambra izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva, ao amin’ny Alliance française Antana­narivo (AFT), etsy Andavamamba. Fotoana hikaloina ireo hira tsy afaka am-bavan’ny olona maro hatrizay. Ireo hira mampanembona sy mampahatsiaro ny fahiny. Ireo hira tsy lany hamamiana. Kalon’ny fahiny, hiran’ny omaly…

Manana karazan-kira sy dihy maro ny Mala­gasy. Tokony hotrandrahina izy ireny. Araka izay azo atao, tsy ovaina na hamoromporonana « zavatra » hafa, mba ahafahana mitazona ilay fanahy ao anatiny. Raha tsy vitan’ny Malagasy izany, ho tonga lazam-balala fotsiny ny fananana azy ireny. Firy amin’ny Malagasy, ohatra, no mahafantatra ny asampinga ? Maro tamin’ireo vahiny nandalo teto, anefa, no nika­roka momba azy io.

Partager sur: