Naneho ny heviny ny filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena momba ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika. Ny HCJ ihany no afaka manao izany, araka ny nambarany.
“Mazava ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny Fitsarana avo (HCJ), tsy afa-mitsara ny filohan’ny Repoblika ny fitsarana tsotra”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote voafidy tany Ambovombe Androy tamin’ny anaran’ny Irmar, Milavonjy Andriasy Philobert, manoloana ny hoe fivoahan’ny didy fampisamborana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Tsy fanajana lalàmpanorenana sy ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena izany. Mazava ny zava-misy: ny HCJ irery ihany no afa-mitsara ny filohan’ny Repoblika. Nefa tsy voahaja izay. Tsy maintsy misy ny fandalovan’ny antontan-taratasy eny amin’ny Antenimierampirenena no hahatongavana amin’izay.
Nanao fianianana teo amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny filohan’ny Fanavaozana. Notendrena amin’ny fanarahana ny lalàmpanorenana ny Praiminisitra sy ny governemanta. Heverina fa manaja an’izay lalàmpanorenana izay izao fitondrana mijoro izao, araka ny nambarany. Toherin’ny fanoherana ny fialana amin’izay. Inona no hanenjehana ny filoha Rajoelina Andry? Mazava fa tsy eto an-toerana ary mangina izy nandritra ny fotoana nijoroan’izao fitondrana izao. Fehendrena no ataony, na manana olona maro manohana azy aza izy: minia mangina mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena. Koa ny fanaovana fanenjehana azy ve no hampisy fitoniana sa fananganana korontana? Manao antso avo ny eo anivon’ny fanoherana fa tsy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena ny fankahalana sy ny fanenjehana.
R. Nd.




