Tsy fahotana velively

 

Nahoraka sy nanaovana resabe indray omaly ny maha olon’ny antoko TGV ny minisitry ny Fanabeazan-pirenena. Narantiranty manerana ny tambajotran-tserasera ny fanamiana volomboasary nanaovany. Manginy fotsiny ny fanambarana ampahibemaso nataony, ho fanohanana ny Filohan’ ny Repoblika teo aloha, Rajoelina Andry, tamin’izany fotoana.
Mahazo aina avokoa ireo mpanenjikenjika fahatany nahita izany. Niakatra hoazy kosa ny moraly ho an’ny mpitondra teo aloha. Samy mba makamaka tombony tamin’ilay vaovao. Ny indrokely anefa, hambom-po samy diso toerana izany. Fanavaozana voalohany tsy maintsy ialan-dRamala­gasy ity mifanenjika amin’ny loko politika ity.
Ny fahafahana mitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara no tokony himatimatesana. Tsy hay intsony izay tiana hahatongavana. Mila vokatra sy asa ilay Malagasy. Mitady fanovana azo tsapain-tanana sy mifanaraka amin’ny toky nifanomezana teny an-kianja. Tsy mijery tsangan’olona rahateo ny tena tia tanindrazana fa mitady politikam-pampandrosoana tena izy.
Raha vantanina ny resaka, tsy fahotana mahafaty velively ny loko volomboasary na ny fanohanana ny Filoha teo aloha. Firifiry amin’ireo nahazo seza no “EX” na TGV taloha. Ny sasany aza efa governora, ny hafa efa sekretera nasionalin’ny antoko mihitsy. Misy ny tandapa iringiriny. Maro ny tale sy ny mpanapa-kevitra mbola ireo teo aloha.
Mila manova toe-tsaina sy fanaovana politika raha te handroso. Tsy afaka ny hitompo teny fantatra fa tompon’ny tolona sy ny firenena. Efa mazava rahateo ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Fanaovana ny Repoblika, tsy voatery ho ratsy rehefa teknisianina niasa tamin’ny fitondrana teo aloha.
Ny fahatsapan-tena sy ny fanaovana asa amin-kitsimpo, tsy misy ambadimbadika, no tsara indrindra ho an’ireo nahazo seza.

r.r

Partager sur: