Fanaovana sy fivarotana toaka gasy : Andrasana ny didy fampiharana ny lalàna vao lany

“Lany soa aman-tsara ny to­lo-dalàna. Mikitika ny fitondram-panjakana amin’izao mba hanafaingana ny fanatanterahana azy. Ny famoahana didy fampiharana sisa no andrasana”. Io no nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany Ambositra, Andriami­haja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, teny Tsimba­zaza, omaly, ny amin’ny fanaovana sy fivarotana toaka gasy eto Madagasikara. Izy no nandroso ny tolo-dalàna momba izany. Taorian’ny fandinihana fanindroany hatramin’ny nandanian’ny Anteni­mieran­do­ho­lona ny fanitsiana azy, lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Anteni­mi­e­rampirenena izany, afakomaly.
Anisan’ny fanovana tamin’ny tolo-dalàna ny amin’ny famokarana sy ny fanaraha-maso ny toaka malagasy ho an’ny hetra. Eo koa ny fanitarana ny komity “fampahafantarana fanarahan-dalàna” eo anivon’ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana. Toy izany koa ny anton’ny fampitsaharana ny famokarana toaka tsy ara-dalàna amin’ny tahan’ny alikaola malagasy sy ny fametrahana rafitra miandraikitra ny fanaraha-maso ny fiarovana ara-tsakafo sy ny kalitaon’ny vokatra, izay hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka. Eo koa ny fanampiana ny mpamokatra amin’ny fampanaraham-penitra ny toaka gasy eo amin’ny kalitao. “Efa miandry sy mangetaheta fatratra, raha ireo tantsaha mpamokatra azy”, hoy ny depiote Liva Rason. Ny didy fampiharana izay fa tsy inona akory…

R. Nd.

Partager sur: