Tsy nitsitsy fitenenana ny kardinaly Tsarahazana Desiré. Nambarany ny alahady teo, tao Toamasina, fa tompon’andraikitra amin’ny fahantrana ny kristianina. Nohitsiny fa milaza azy ho kristianina ny 95% amin’ireo tomponandraikitra sy mpitantana rehetra. « Endrika ivelany ihany izany ary manao sinema fotsiny isika rehefa mivavaka », hoy izy.
Tsy misy ambonin’ny lalàna ka rariny raha enjehina avokoa ireo nanao ny tsy nety teto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ny depiote Mahavitara Sylvestre. Nahitsy ny teniny. « Nampahantra hatramin’izay ny ramatahora sy ny tsimatimanota ka dingana hamongorana azy ireo izany », hoy izy.
Mafampana ny fanehoan-kevitra fanohanana ireo kandidà ho lehiben’ny faritra any Boeny. Nanambara ny filoha lefitry ny Tandroy any an-toerana, i Tolivelo Andre, fa mijoro ho mpanelanelana sy mametraka arofanina izy ireo. « Zava-dehibe ny fihavanana lavitry ny fifankahalana sy fifandrafiana ka aoka ho tony », hoy izy ireo.
Hohenoin’ny fitsarana ny 10 desambra izao ny depiote Rajerison Antoine. Nambarany fa tsy mbola maina ny fery noho ny herisetra natao azy. Tsiahivina fa nosamborina ny tenany ny 29 septambra teo, nandritra ny hetsi-pitakiana nataon’ny vahoaka ary noterena naka sary niaraka tamin’ny basy sy namoronana fiampangana tsy ara-dalàna, araka ny nambarany.




