“Taorian’ny fanafoanana ny fanendrena ireo governoran’ny Faritra: voatery hiroso amin’ny fanendrena vonjimaika ireo lehiben’ny Faritra aloha ny fitondram-panjakana eo anivon’ny filankevitry ny minisitra”. Io ny fanambaran’ ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, voaray tamin’ny fampitam-baovao, omaly. Tsy inona fa ny amin’ny fanendrena lehiben’ny Faritra amin’izao fitondrana izao. Mba hiantohana ny fitohizan’ny toe-draharaham-panjakana sy ny fitantanan-draharaha izany. Fanajana ny fitovian-jon’ny daholobe amin’ny fisitrahana asam-panjakana, nisokatra tamin’ny rehetra ny fametrahana ny antontan-taratasy. Hatao ao anatin’ny fangaraharana tanteraka koa ny fisafidianana izay ho lehiben’ny Faritra.
Tsy maintsy hodinihina mandritra ny fikaonandoham-paritra sy ny fikaonandoham-pirenena kosa ny fanavaozana momba ny fifidianana. Na ny lalàna mifehy izany, na ny rafitra hikarakara, na ny fitsipika arahina. Aorian’izay vao ho fantatra ny fombafomba vaovao hitantanana ny fifidianana rehetra. Noho izany, miandry ny fikaondoham-pirenena vao afa-kiroso amin’ny fifidianana samihafa eto amin’ny firenena. Mba hahafeno ny fepetra rehetra sy hipetrahan’ny fahatokisan’ny rehetra amin’ ny zotram-pifidianana izany. Nahazoana fanakianana sy fitarainana betsaka ny fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena, indrindra ireo avy amin’ny mpisehatra samihafa toy ny olom-pirenena sy ny mpanao politika ary ny fiarahamonina sivily. Niteraka tsy fifampitokisana amin’ny fikarakarana ny fifidianana sy ny voka-pifidianana nivoaka izany.
R. Nd.




