Nametra-pialana ny tale jeneralin’ny CIS, ny Contrôleur général de police Libiria Ruffin Tolojanahary. Nambarany ho anton’izany ny andraikitra hafa horaisiny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Voatendry hisolo azy ny Kly Rabemanantsoa Fetrarivo. Kaomandin’ny zandary ao Ambositra ny tenany, farany teo.
Nilaza ny hiverina amin-kery ny HVM, araka ny hita ao anaty Facebook. Efa mihetsika izy ireo izao ho fameloma-maso indray ny antoko. Anisan’izany ny fihaonana teny Avaradrano sy tany Boeny ary mbola hitohy amin’ny faritra hafa. Tsiahivina fa avy amin’ity antoko ity ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena amin’izao fotoana.
Tsy tokony hatahotra fanadihadiana ny mpitondra teo aloha raha nanao ny marina. Io ny nambaran’ny mpitarika ny Tsaratahafina, Paraina Auguste. Nanteriny fa ny fanadihadiana aza no manafaka azy ireo manoloana ny ahiahy. « Ny fisian’ireny no manaporofo fa madio izy raha nanao ny marina ka tsy tokony ho diso fandray isika », hoy izy.
Hitondra anjara biriky amin’ny fikarakarana ny fikaonandoha ny HCDDED. Hanome tanana ny FFKM izy ireo amin’ny fanatanterahana izany ho fihainoana ny hetahetam-bahoaka miainga eny anivon’ny faritra. Hitondran’izy ireo ny traikefany koa ny fampandraisana anjara an-kalalahana ny rehetra, mba ho afaka maneho ny hetahetany ny tsirairay.




