Hiavaka ny « Hiragasy goavam-be » hotanterahina amin’ny faran’ny herinandro izao. Adin-kiragasy sy fanolorana mari-boninahitra.
Ny alahady 7 desambra izao, manomboka amin’ ny 10 ora maraina. «Hiragasy goavam-be» hikatrohan-dRanoelison Ampahimanga sy Rakotomalala René, hotanterahina eo amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefiloha. Nambaran’i Dadafara fa : «tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’io fotoana io ihany koa ny hanomezana an-dRanoelison ny mari-boninahitra ho fankasitrahana azy sy ny zava-bitany teto an-toerana sy hatrany ivelany». Nomarihiny, tamin’izany, ihany koa fa : «mifanindry amin’ ny fanamarihana ny nahazoan’ny hiragasy fankatoavana avy any amin’ ny Unesco ny maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanakolombelona (desambra 2023) ity lanonana sy adin-kiragasy ity».
Raha ny fanazavan’i Dadafara Lt Production, lalan-davitra no efa nodiavin-dRanoelison teo amin’ny tontolon’ny hiragasy. Efa nihira tao amin’ ny tarika Sahondrafinina Reniny. Nihira sy nandihy tamin’ ny tarika Ramilison Besigara Fenoarivo. Tao amin’ ny tarika Voninavoko sy Dadalora Manalalondo. Niaraka tamina mpanakanto maro… Filohan’ ny tarika Ranoelison Ampahimanga. Raha tsiahivina, tarika samy andrarezina eo amin’ny tontolon’ny hiragasy Ranoelison Ampahimanga sy Rakotomalala René. Tsy fahita matetika rahateo ny fifanandrnan’ny roa tonta. Noho izany, «sady tsy hifampitsitsy izy ireo no samy haneho no hanasongadina ny mampiavaka azy», hoy ny mpitia hiragasy.
HaRy Razafindrakoto




