Aiza ho aiza ny toe-draharam-pirenen amin’izao? Mbola mahabe resaka etsy sy eroa… Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa eto Madagasikara no tokony hitsarana ny filoha teo aloha. Amin’ny alarobia izao no hanomboka ny fikaonandoham-pirenena. Tsy mieritreritra ho kandidà izy fa miasa aloha izao…
Tokony hotsaraina eto Madagasikara ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Io no anisan’ny valin-tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny mpanao gazety tao amin’ny televizionina France 24, omaly, momba ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara. Nampahantra ny vahoaka malagasy izy, ary eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana misy ny andraikitra raisin’ny tena. Nisy ny fandrobana harem-pirenena, fanenjehana ny Malagasy… “Izay ny fanirianay satria ny vola taty aminay ary ny harenay no nangalariny. Raha ny sitraponay, miverina aty Madagasikara izy: hotsarain’ny fitsarana malagasy sy ho hitan’ny vahoaka malagasy”, hoy kosa izy momba ny mpandraharaha, Ravatomanga Mamy, izay voampanga atsy amin’ny Nosy Maorisy noho ny raharaha kolikoly sy famotsiam-bola ary misy ny fanadihadiana momba azy eto Madagasikara amin’izao.
Notsiahiviny sy nohamafisiny fa tsy nisy fanonganam-panjakana tamin’ny nandraisany fahefana, izay natolotry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Taorian’ny fizahana fototra ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika sy ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny tsy fahazoan’ny governemanta niasa izany. Tsy nisy ny fampiasana fitaovam-piadiana nidirana ny lapam-panjakana haka fahefana. Hanomana ny fandrafetana lalàmpanorenana ho amin’ny Repoblika vaovao sy ny fanatanterahana fifidianana kosa no anisan’ny antom-pisian’ny fitondrana fanavaozana ny Repoblika. Eo koa ny fanaovana ny fikaonandoham-pirenena hahazoana miroso amin’izany. Amin’ny 10 desambra ho avy izao no hanomboka amin’ny fomba ofisialy izay fikaondoham-pirenena izay. Ho voahaja ny roa taona hisian’ny fifidianana. Mbola miasa aloha izy izao, fa tsy mieritreritra ho kandidà ho filohan’ny Repoblika.
R. Nd.




