FANTINA sy FINTINA

Hifanatrika fanindroany eny Tsimbazaza indray ireo mpikamban’ny governemanta, hotarihin’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama sy ireo depiote. Tapaka tamin’ny lahadinika, afakomaly, izany ka hotanterahina ny alatsinainy 15 sy ny talata 16 desambra izao. Takin’ireo depiote ny antsipiriany ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE).
Hamerina handinika ireo raharaha fanenjehana ireo mpitondra ambony ireo depiote. Tafiditra amin’ny lahadinika eny amin’ny Antenimierampirenena ka hotanterahina ny 11 desambra izao ny fivorian’ny vaomiera. Tanjona ny hahafahana mandroso ny raharaha maha voasaringotra ireo mpitondra ambony eo amin’ny Fitsarana avo (HCJ).
Hisahana ny fampandehanan-draharahan’ny faritra 22 aloha ireo sekretera jeneraly sy tale, araka ny fanamarihana nataon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Miisa valo ireo faritra nanendrena talen’ny fitantanan-draharaha ka anisan’izany ny eto Analamanga. Tsy mbola hisy mpitantanana kosa ny faritra Betsibola sy Ambatosoa.
Nijery ireo olana mampitaraina ny eny Bongatsara ny tale misahana ny fandraisana fitarainana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Rakotomamonjy Patrick, omaly. Nambarany fa miaina ny olan’ny fananan-tany ireo mponina. «Misy kolikoly ao ambadik’izany ka tsy azo ekena. Vita hatreo ny tsimatimanota sy ny kolikoly», hoy izy.

Partager sur: