Concert Classique de midi : Hiaka-tsehatra ny Madagascar Orchestra

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-164 ny «Concert classique de midi», karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hanatanteraka ity fampisehoana an-tsehatra ity ny Madagascar Orchestra, ny talata 16 desambra izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, etsy amin’ny IFM Analakely. Hahazo ampaham-potoana lehibe ireo hira na feon-kira miresaka momba ny fahatongavan’ny Mpamonjy na ny hiran’ny Noely. Omen-dry zareo aina amin’izany ny sanganasan’i Edward Elgar, W.A Mozart.
Marihina fa anisan’ireo seho sehatra mahasarika mpijery ny «Concert classique de midi» nandritra izay taona maro nisiany izay. Natokana ho an’ireo izay tsy mba afaka mijery fampisehoana amin’ny faran’ny herinandro no iray amin’ireo antony namoronana azy. Eo ihany koa ny fampivelarana ny mozika klasika.
Tsy very maina ny ezaka nataon’ny Madagascar Mozarteum tao anatin’ny 15 taona. Maro ny Malagasy nahafantatra sy tia ary niaina ny mozika klasika. Nahitana ny sokajin-taona rehetra izy ireny. Ankoatra ny ao amin’ny IFM Analakely. Toerana na sehatra maro no efa mampiantrano ny mozika klasika, na eto an-dRenivohitra na any amin’ny faritra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: