Firosoana amin’ny fanavaozana : Vonona amin’ny fikaonandoha ny Adopt

Dinika fiomanana. Na­nantotosa fihaonana sy dinika savaranonando, tetsy Mangarano, Toamasina, ny «Association des origi­naires de la province de Toamasina – Adopt». Nifa­nakalo hevitra sy nanangona hevitra tombanana hitondra lalàna sy rafitra vaovao atolotra amin’ny fihaonambem-pirenena izy ireo tamin’izany. Hametrahana lalantsaina hifampitondrana eto amin’ny firenena izany ka hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena, iarahana amin’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana. Nambaran’ny filohan’ny Adopt, ny Dr Mora Edvin, sady filohan’ny sendikan’ny mpivarotra fanafody eto Mada­gasikara, fa mizotra mankany amin’ny fikaonandoham-pirenena isika izao. «Nanapaka ny biraon’ny fikambanana fa handray anjara feno amin’ny fiomanana hiatrehana izany», hoy izy. Hakana ny hevitra any anivon’ireo distrika mandrafitra ny faritanin’i Toa­masina, araka ny nambarany hatrany. Handray anjara koa ireo zandry mandrafitra ny Gen Z sy ny Antafa. Ilaina ny hevitry ny tanora, mafonja kokoa. Koa nanomana fanontaniana vitsivitsy ho fiaingana amin’izany fakan-kevitra izany ny Adopt, araka ny nambarany. «Tsy hijanona eo ny fakan-kevitra fa hotohizana amin’ny alalan’ny fidinana ifotony eny anivon’ny disitrika tsirairay avy. Haravona eto an-toerana ny fehin-kevitra rehetra ary hatolotra ny fikaonandoham-pirenena», hoy ny filohan’ny Adopt.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: