Minisiteran’ny Fitsarana: “Tsy azo ekena ny fanelanelanana”

“Ankehitriny, ampahafantarina ny rehetra fa tsy azo ekena intsony ny fanelanelanana atao amin’ny mpitsara sy ny asam-pitsarana, na avy amin’ny manampahefana, olo­na ambony, na avy amin’ny antokon’olona tsy miankina.” Io ny fanambarana ofisialy avy amin’ny talen’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fi­tsarana, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo. Fampahatsiahivana hentitra momba ny fanelanelanana atao amin’ny mpitsara io. Manohintohina ny fahaleovantenan’ny fitsarana izay fanao izay, manome vahana ny tsimatimanota, ary mampihena ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana. Tsy azo ekena intsony ny fisian’ny tsindry avy any ivelany eo amin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Tokony handray fanapahan-kevitra miorina amin’ny lalàna ihany ny mpitsara, ary tomponandraikitra tanteraka amin’ny fanapahan-keviny.
Araka ny rafitra ara-pitsarana, ny minisitry ny Fitsarana sy ny lehiben’ny fitsarana ihany no manan-jo hanome toromarika. Raha misy mpitsara voakasiky ny fanelanelanana, asaina hanao tatitra feno any amin’ny minisitra mba hiantohana ny fiarovana azy sy hanamorana ny fanapahan-kevitra amim-pilaminana. Ampahatsiahivin’ny fa­nam­barana fa ny fanelanelanana atao amin’ny mpitsara na ny mpiasan’ny fitsarana dia heloka bevava mitovitovy amin’ny kolikoly. Noho izany, mba hahazoana mitondra fanavaozana eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana: iangaviana ny rehetra mba hamela ny mpitsara sy ny mpirakidraharaha ary ny mpiasan’ny fitsarana hiasa an-kalalahana sy amim-pilaminana, tsy hisy hanao fanelanelanana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny endrika inona. Satria hitarika fanenjehana ara-pitsarana raha ahazoana porofo mazava izany.

R. Nd.

Partager sur: