Ny rafitra no mila ovaina fa tsy ny olona, ao anatin’izao fitondrana izao, araka ny nambaran’ny vovonan’ireo fiarahamonim-pirenena, OSC, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fifanakalozan-kevitra manolona ireo olana mianjady isam-paritra ny fifanarahan’ireo fikambanana maro, nandritra ny telo andro, ho fanatsarana ny fitondrana.
Andrasana ny tohin’ireo raharaha goavana nanaratsy endrika ny firenena amin’izao fanavaozana izao, araka ny nambaran’ny mpamakafaka politika, Andrianatoandro Willy. « Maro ireo afera goavana tsy hita tohiny tamin’ny fitondrana Rajoelina ka fotoana izao hanatsikafonana sy hanohizana ny fanadihadiana izany», hoy izy.
Naneho ny heviny ny Kly Onimihary Ralaiavy (Faneva). Nambarany fa afaka miasa tsara ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana foana fa tsy voatery miandry mahazo seza sy galona vao hanao zavatra. « Azonao hanompoana tanindrazana hatrany ny toerana misy anao androany », hoy izy.
Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana sy ny fampihorohoroana ara-tsaina atao amin’ny mpiara-dia amin’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny depiote Resampa Haja. Nambarany fa tsy azo ekena ary tsy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena izany. « Tokony hanome baiko hampitsaharana izany ny fitondram-panjakana », hoy izy.




