« Madagaslam Festival » : Tompondakan’i Madagasikara 2025 i Ma Fia

Naharesy lahatra olona maro i Ma Fia, vao nisalotra ny anaram-boninahitra, tompondakan’i Madagasikara amin’ny “slam-poésie”. Solontena any amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa.

Samy babany avokoa… Saingy toy ny fifaninanana rehetra, tsy maintsy misy ny mpandresy. I Ma Fia, solontenan’ny faritra Boeny, no nivoaka ho tompodakan’i Madagasikara tamin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny “slam poésie”. Tanatin’ ny fitaintainana no nandrasan’ny rehetra izay nanatrika ny dingana famaranana, ny asabotsy teo, tetsy amin’ny IFM Analakely. Toa ny mahazatra rehefa famaranana, mialoha lalana ireo mpifaninana ireo efa andrarezina amin’ity taranja ity, mba hahitana ny haavon’ny fifaninanana. Ary tsy diso fanantenana ireo na­natrika, satria tena ambony ny lenta. Ireo vahiny nasaina ma­nokana aza niaiky izany.
Samy nanome ny kantony indrindra ry Papry Jr, Koura, Ash, Indiamahery, Luciana, Lems, Malaso et Hermance Randria, sns, saingy nisongadina kokoa i Ma Fia, ho an’ireo mpitsara. Hafa kokoa ny fom­ba nanehoany ny kolikoly, ny fiainan’ny vehivavy, sns, tanatin’ireo asa sorany. Tsy nisy nivoaka ny lohahevitra, saingy naharesy lahatra kokoa izy, ka mendrika azy ny anaram-boninahitra. Voahosotra samy ho tompondaka lefitra kosa i Indiama­hery avy eto Anala­manga, sy i Hermance Ran­dria, avy any Matsiatra Ambo­ny. I Koura avy any Vakinan­karatra kosa no teo amin’ny laharana fahatelo.

Ho any France
Mazava loatra fa i Ma Fia no solontenan’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny “Slam-poésie 2026”. Dingana lehibe no vitany, saingy mbola mafimafy kokoa no miandry azy, saingy efa afa-milahatra amin’ ireo kalaza maneran-tany, amin’ ireo milalao ny teny fran­tsay, izy. Tsiahivina fa tonga manokana teto Mada­gasikara, na­nome voninahitra ity andiany faha-16 ity i Nico K, mpanao slam avy any France, sy i Raspyek avy any Seychelles.
Vaovao fanampiny tamin’ny lanonam-pamaranana, voafidy ho filohan’ny fikambanana Madagaslam i Tiavina Andriambatoniaina, nandimby an’i Tohy Nomena.

Zo ny Aina

Partager sur: