Namoy ny ainy teny Ambohimanarina : Zaza herintaona kendan’ny letisia

Ankona ny fianakaviana. Maty kendan’ny letisia ny zazalahikely vao herintaona sy tapany. Tsy fantatra mazava ny zava-niseho fa tsy tao an-trano ny ray aman-dreniny. Nentina nialana nenina teny amin’ny tobim-pahasalamana saingy tsy tana ny ainy.

Andro miditra sa tsy fitandremana! Namoy ny ainy vokatry ny loza tampoka ny zazalahy vao herintaona sy tapany tao amin’ny fokontany Tsararay, Ambohimanarina, boriborintany fahenina, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Ni­hi­nana irony karazam-boankazo miparitaka eny an-tsena amin’ izao fotoana, io zaza io. Izy sy ny vehivavy (18 taona) mpitaiza azy no tao an-trano tamin’io fotoana io. Nividy letisia ny renin’ny zaza saingy nafeniny tsy ho hitan’ny zaza izany. Hi­tan’ilay mpitaiza izany ka nihinana izy. Nangalatra nihinana io zaza io kinanjo sondrao­vaka tampoka. Tsentsina ny lalan-drivotra ka sahirana tanteraka. Nifamonjen’ny fokonolona teo amin’ny manodidina ilay zaza vantany vao niseho ny loza. Nentina teny amin’ny hopitaly avy eo, saingy tsy tana ny ainy.
Miasa manjaitra any Tala­tamaty, miditra amin’ny 7 ora maraina, isan’andro ny ray aman-drenin’ilay zaza niharan-doza, raha ny fanazavan’ ny dadatoan’ilay zaza namoy ny ainy. Tonga nampandre tany ny mpiara-monina nilaza fa marary ary nalefa any amin’ny hopitaly ilay zaza. Ankina tanteraka izy ireo rehefa tonga teny anivon’ny toeram-pitsaboana fa efa maty ilay zanany.

Nialana nenina
Nanambara ny mpitsabo lehiben’ny CSB II Ambohima­na­rina fa efa vatana manga­tsiaka tsy nisy aina intsony no tonga tao amin’izy ireo. “Efa vita fitsirihana (constat) tao amin’ny cabinet privé tao An­tanety ny razana fa nialan’ny ray aman-dreniny nenina tato ihany”, hoy ny médecin en chef, eo anivon’ny CSB II Am­bohi­ma­narina, Rakotoarivony Hery Tiana. Nambarany ihany fa tranga tsy nahy ary nitarika ta­min’ny loza no niseho ka na­ha­faty ilay zaza. Taorian’izay, na­lain’ny fianakaviana ny razana.

Tsy hitory
Tsy hitory ilay tovovavy niandraikitra ny zanany nandritra io fotoan’ny voina io ny ray aman-drenin’ilay zaza. No­tazomina any amin’ny biraon’ny polisy ilay mpitaiza taorian’ny loza. Nanao ny fanadihadiana ny zava-misy ny polisy avy amin’ny CSP6 Ambohimanarina. Ilaina hatrany ny fahamailoana ho an’ny ray aman-dreniny manana zaza ao an-tokantrano.

Tsiferana R. / Mino

Partager sur: