Fanolanana ankizivavy 15 taona: Mpivady niara-naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana ny 5 desambra teo, tany amin’ny fitsarana Tolagnaro, ny ombiasy iray sy ny vadiny. Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny Tolagnaro izy ireo taorian’ izay. Voarohirohy tamin’ny fanolanana ankizivavy 15 taona tany Mangarivotra, fokontany Amboanato, kaominina To­lagnaro, ny 26 novambra 2025 lasa teo izy ireo.
Tsiahivina fa nisy nanolana tany Mangarivotra, fokontany Amboanato, kaominina Tolagnaro, ny 26 novambra 2025 lasa teo, ny ankizivavy 15 taona. Rangahy ombiasy iray 32 taona no tompon’antoka tamin’izany. Niroso tamin’ny fanadiha­diana sy fikarohana avy hatrany ny polisy ka voasambotra ny 27 novambra 2025 lasa teo ilay olon-dratsy. Nosamborina niaraka taminy ihany koa ny vadiny. Firaisana tsikombakomba sy tsy fahasahiana nitoroka tany amin’ny manam-pahe­fana ny antony hanenjehana ity ramatoa vadiny ity. Nanan-draharaha tao aminy ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy, izay mpifanolobodirindrina aminy. Taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, nasain’ny ramatoa, vadin’ilay ombiasy, natory tao amin’izy ireo ilay ankizivavy io ny alin’io andro io. Nohararaotin’ilay rangahy anefa izy tamin’izany ka naolany tao.

Mino

Partager sur: