Nirefotra ny basy tany Mangarivotra, ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ ny polisy sy ireo jiolahy mpamaky trano tany amin’ny fokontany Mangarivotra, Ankirihiry, Cité Haras, Toamasina. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) nandritra izany ny jiolahy iray, fantatra amin’ ny anaram-bositra hoe : Mainty. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, tratra teo am-pamakiana trano iray izy io. Nandositra avy hatrany izy vantany vao nahita ireo mpitandro filaminana. Nasaina nijanona nefa nandositra hatrany. Mbola nikasa hamely sy hampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ihany koa. Vokany, voatery nandray fepetra ny polisy ka nitifitra azy, nitarika tamin’ny fahafatesany izany.
Nahitana antsy be
Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy, hita tany aminy ireo karazan-java-maranitra sy fitaovam-piadiana entiny manao asa ratsy. Anisan’izany ny antsy be, kitapo fanasiana entana halatra. Olon-dratsy malaza amin’ny fanaovana asa ratsy. Ela nampihorohoroana ny mponina tany an-toerana izy io saingy izao lavo izao ihany. Jiolahy raindahiny amin’ny famakiana trano miharo fampiasana fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ny tenany.
Nentina eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be Toamasina ny razana. Hatramin’ ny nanoratana ny vaovao, mbola tsy tonga naka izany teny an-toerana ny fianakaviany.
Sajo




