Fasana efatra nisy namaky tany Antambohobe, fokontany Mangatany, kaominina Arivonimamo, ny sabotsy alina lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy, tamin’ izany, ny razana am-polony. Tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ireo mponina manodidina. Tonga nanao ny fanadihadiana ny manam-pahefana.
Nanatanteraka asa sosialy tany Manakara ny polisy avy amin’ny Brigade féminine de proximité (BFP) any an-toerana, ny alahady lasa teo. Tafiditra ao anatin’ ny fankalazana ny fahavalo taonan’ny fikambanana sy 16 andro hiadiana amin’ny herisetra ny hetsika. Notolorana fanomezana ny zokiolona, ny manana fahasembanana ary ireo sahirana ara-pivelomana.
Vehivavy iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tao Inena, kaominina ambanivohitra Ambinanindovoka, omaly maraina tamin’ny
3 ora sy sasany. Olona 16 hafa naratra, tsy maintsy nalefa any amin’ny Hopitaly Tambohobe Fianarantsoa. Nivadika sy nianjera teo amin’ny tetezana Inena Ambinanindovoka ny fiara mpitatitra entana iray.
Mpanao sinto-mahery sy harom-paosy miisa enina saron’ny polisim-pirenena nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny amin’ny tetezan-dRamala, Isotry, ny sabotsy 7 desambra lasa teo. Matetika hitrangana harom-paosy miharo fandratrana mpandalo, niandry kendry tohina ireo mpanao ratsy, teny an-toerana, ny ekipan’ny polisy. Tontakely miisa enina voasambotra nandritra io fotoana io.




