Minisitra Razafimanantsoa Hanitra : “Handeha any amin’ny Repoblika V isika”

“Araka ny takin’ny hetsi-bahoaka, hisy ny fanovana la­là­mpanorenana. Handeha any amin’ny Repoblika V isika. Hia­dian-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. Toy izany koa ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny momba ireo andrimpanjakana rehetra ma­na­hirana: ny Ceni, ny HCC “. Io ny fanazavan’ny minisi-panjakana misahana ny Fana­vaozana, Me Razafima­nan­tsoa Hanitra, tao amin’ny fandaharana manokana, tao amin’ ny TVM, ny fiandohan’ny herinandro teo. Fanorenana ifo­tony ny Repoblika ny famari­tana napetraka. Mila fanavaozana avokoa ireo andrimpanjakana. Voakasik’izay avokoa ny politika, ny toekarena, ny sosialy…
Atao izay hahatsapan’ny vahoaka fa misy mpitondra fanjakana miahy azy, mihaino, mikarakara… Hampianarina koa ny olom-pirenena: tsy tokony hanasohaso na nanindrahindra mpitondra fanja­kana. Avy amin’ny vahoaka ny fahefan’ny olom-boafidy; na ny olom-boatendry aza: ny filohan’ny Repoblika no ma­mindra fahefana amin’ny governemanta. Ny fanindrahindrana no mahatonga ny mpitondra manadino fa mpiasam-bahoaka izy, mandray volam-bahoaka. Manan-jo mitaky ny fangaraharana sy ny fampiasana ny volany ny vahoaka. Tsy hoe misy elanelana be ny mpitondra sy ny va­hoaka, lasa manome vahana ny fanararaotam-pahefana, fanodinkodinana volam-bahoaka… Mila fantatry ny vahoaka hoe izy marina no tena tompon’ny fahefana: tsy mangataka fa tokony hibaiko aza amin’izay tadiaviny amin’ ny fiainana andavanandro.
Hiarahan’ny rehetra ny fehin-kevitra, ary havadika ho lalàna. Ny minisitera misa­hana ny Fanavaozana no hiandraikitra an’izay. Hoen­tin’ny governemanta eo ani­von’ny Antenimierampirenena ny vo­la­volan-dalàmpano­re­nana. Aorian’izay ny vahoaka no hifidy na hanao fitsapan-kevitra momba ny lalàmpanorenana.

R. Nd.

Partager sur: