Andrarezin’ny vazo miteny : Hisy ny “Pao-tsatroka ho an’Ifanihy”

Tsy misy adihevitra, fa Ifanihy no anarana akaiky indrindra raha vao hoe “vazo miteny”. Misy ireo zandry novolavolainy, hanolotra pao-tsatroka ho an’ity mpanakanto ity.

“Omeko tsy omeko”, “Lemena”, “Mpia­san’ny voirie”, sns. Tany amin’ny fiandohan’ny taom-polo 80 tany no efa nampisongadina ireo hira ireo. Mpamorona iray, mahay milalao ny teny hifanaraka amin’ny feony ho tonga kanto niorim-paka no tao ambadik’ireny: Randriamanantsoa Rolland na Darôla, izay nisafidy ny solon’anarana Ifanihy. Ankoa­tra ny tononkira miresaka, niavaka tamin’ny fiangaliany gi­tara azy manokana ihany koa Ifanihy, izay maro mpanaraka taty aoriana. Noho izy nametraka dian-tanana teo amin’
ny tontolon’ny mozika sy ny zavakanto malagasy, nanapa-kevitra ireo tanora mpanao mozika maromaro fa hanolotra “Pao-tsatroka ho an’Ifa­nihy”.
Haka endrika fampiseho­ana izy io, izay hotontosaina ny 20 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Hôtel Pano­rama Andrainarivo. Hifarim­bona amin’ny fikarakarana sy hiray tsikombakomba amin’ Ifanihy eny an-tsehatra ry Ankoay, Zana-Salanitra, Tah Manana, Mbinina, Hasina, Tiana, Fandresena, sns.

Taiza tanaty mozika

“Anisan’ny zoky raiaman­dreny nitaiza ary niahy ny tarika Manan’Ara hatramin’izay Ifanihy. Izay no antony iarahanay amin’io fampisehoana io”, hoy ry zalahy mpikambana ao amin’ny tarika Manan’Ara. Saika taizan’Ifanihy tao anaty mozika toa an-dry zalahy ireto rahateo ireo mpandray anjara hanolotra ny pao-tsatroka. “Zandriko ireo… Nianatra gi­tara tato amiko ny ankabea­zany. Misy niara-niasa tamiko tanaty mozika, misy hoe izaho no nanambatra an-dry zalahy hanao tarika iray”, hoy kosa ity andrarezin’ny vazo miteny ity.
Araka izany, hizara roa mazava tsara ny seho. Hisy ny anjaran’Ifanihy sy ny gitarany irery, izay efa nahafantarana azy hatrizay. Hisy ihany koa ny fampiaraham-peo sy talenta amin’ireo mpanakanto hanao ny pao-tsatroka, ary efa niroso tamin’ny famere­nana izy ireo. “Hosokirina avokoa ireo hira rehetra any am­bany tsihy any, fa fotoanany izao. Hihoatra ny adiny 3 aloha ny seho”, hoy hatrany Ifanihy.

Zo ny Aina

Partager sur: