Nikatona tanteraka ny “Madagaslam Festival 2025”. Ankoatra ireo ny fampahafantarana an’i Ma Fia, izay tompondakan’i Madagasikara, nandritra ny “Slam national” andiany faha-16, efa fantatra koa ireo mpandresy tamin’ny sokajy hafa. I Mariah Danielle teo amin’ ny sokajy “Slam media kids”, i Sedra nandresy tao amin’ ny sokajy “Slam Media open”, A. Rabe tao amin’ny “Slam à l’U” ary i Menacom tamin’ny “Sl’Ami”. Nahazo ny amboara fair-play kosa i Bling Bling Petry sy ireo vahiny avy any Seychelles, Raspyek sy Stefani.
Handalo eto an-tanindrazana i Hantatiana. Hafaliana ny an’ireo mpankafy, satria hisy fotoana hiakarany an-tsehatra indray mandritra izany. Daty roa no efa fantatra, ka ny sabotsy 20 desambra izao, any amin’ ny FJKM Antsirinala Fanantenana Moramanga ny voalohany. Ny alahady 21 desambra kosa ny faharoa, ao amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina. Tsy mbola voaresaka amin’ity fandalovan’i Hantatiana ity aloha ny seho goavana ankoatra ireo.
“Zafimaniry Doria”. Io no lohatenin’ny fampirantiana sary, hataon’ilay mpaka sary TangalaMamy, na i Mamy Razafindrakoto. Nisokatra omaly izany, etsy amin’ ny toeram-pampirantiana, ao amin’ny IFM Analakely. Sary maromaro maneho ny hakanton’ny Zafimaniry, ny fahaiza-manaony, ny taozavatra sy ny endri-kolontsaina rehetra mampiavaka ny faritra, sns. Manana hatramin’ ny 24 janoary izao izay liana amin’ny fampirantiana.




