Nisoloky vola 15 tapitrisa Ar : Lehilahy voasambotry ny polisy

Notanana am-ponja, omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray tratra nisoloky vola an-tapitrisany, tao amin’ny kaominina Ambondromiditra, faritra Amoron’i Mania. Nitrangana fisolokiana ny renim-pianakaviana iray, tao amin’ny tanànan’Ambondromiditra, ny volana novambra lasa teo. Norebireben’ny olon-dratsy io ramatoa io. Nakany vola mba hampiasaina amin’ny asa hahazoana lelavola. Nanome lelavola 15 000 000 Ar an’io mpisoloky io, araka izany, ilay ramatoa. Tsy hita popoka nanomboka tamin’io fotoana io ilay mpanao ratsy. Narirarirany ny volan’olona rehefa nantsoina an-telefaonina izy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny polisim-pirenena ny tompom-bola. Niroso tamin’ny fikarohana ny polisy. Tratra ilay mpisoloky. Nentina natao famotorana ity farany ka natolotra ny fampanoavana. Naiditra vonjimaika any am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: