Nandray ny fitantanana ny Ceni ny filoha vaovao, Rakotonarivo Thierry, omaly, rehefa nametra-pialana ny filoha teo aloha, Andrianarisedo Dama Arsène. Niova ny birao ary napetraka ny laharam-pahamehana.
Nambaran’ny filoha vaovao ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity fa anisan’ny laharam-pahamehana aloha izao ny fikaonandoham-pirenena. Hamaritra ny dingana rehetra hatao eto amin’ny firenena izany. «Miankina amin’ny tapaky ny vahoaka eo no ahitana ny fotoana hanatanterahana ny fifidinana na ny fitsapankevi-bahoaka na koa ny rafitra hikarakara ary hanomanana izany», hoy izy. Nanteriny fa anjaran’ny Ceni ny manatontosa izany raha mbola tafiditra ao anatin’ ny fe-potoam-piasan’izy ireo amin’ny taona 2027 izany.
Notsiahiviny fa tafiditra ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena koa ny momba ny Lalàmpanorenana vaovao sy ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana. «Anisan’ny mpandray anjara hatreny anivon’ny fokontany izahay ary hamolavola ny ekipa sy hanome toromarika ka hanazava izany amin’ny vahoaka ho amin’ny fikaonandoha», hoy ihany izy. Notsindriny fa tsy ampy ny lalàna mifehy ny fifidianana. Anisan’ny sakana, ohatra, ny mpiasam-panjakana miandany, ny fampiasana fahefam-panjakana ary ny fitaovam-panjakana. Tsy mitovy koa ny hoenti-manan’ireo kandidà. Ny anarana miverina anaty lisi-pifidianana, eo koa ny fanamparam-pahefana sy ny hala-bato. «Tsy ampy sy tsy feno avokoa ny lalàna ka ezahina ny hanatsarana izany», hoy izy.
Notsindriny fa anisan’ny dingana nahatongavana amin’ izao maha filohan’ny Ceni izao ny fametraham-pialan’ny filoha teo aloha ka nirosoana ny fifidianana teo anivon’ny birao.
Synèse R.




