Dr kolonely Zafitasondry Marcellin : “Sahia mitoroka trangana kolikoly ianareo vahoaka”

“Raha misy trangana kolikoly aminareo vahoaka, sahia mitoroka”, hoy ny mpanolo­tsaina avo eo anivon’ny Fiadi­diana ny Fanavaozana ny Re­poblika, ny Dr kolonely Zafi­tasondry Marcellin, tamin’ny fitokanana ny birao vaovaon’ny Bianco, 104 tapitrisa no na­namboarana azy, izay fandraisana fitarainana tsy lavitra ny Lapan’ny fitsarana, Anosy, tao anatin’ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly, omaly. Tsy birao fo­tsiny ity fa sehatra itenenan’ny olom-pirenena mivantana ahazoany maneho hevitra an-kalalahana ny tsy mety sy ny ahiahy. Fi­taovana ihany koa hanamafisana ny fangaraharana. Eo no ahazoan’ny Mala­gasy tsy an­kavaka mitatitra ny tsy rariny, ny fanararaotam-pahefana, ny tsy fahatomombanan’ny sampandraharaham-panjakana. Ka hanarenana indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fan­jakana tsara tantana, araka ny foto-kevitra napetraka: ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly. “Andao hifanome tanana isika hanarina an’i Madagasikara vaovao indray, ho lavitr’izany kolikoly izany”, hoy izy.
“21 taona aty aorian’ny na­nanganana ny Bianco vao mba misy birao andraisana fitarainana eto Antananarivo Renivo­hitra. Hatramin’izay, eny Ambo­hibao, Ambohidra­tri­mo, no misy azy.”, hoy kosa ny tale je­neralin’ny Bianco, Razakama­nan­­tsoa Gaby Nestor. Tsy ny maha akaiky azy ihany no maha zava-dehibe ny ivontoerana, fa azo andraisana torolalana samihafa manoloana an’
ireo mety ho olana mianjady amin’ny vahoaka ihany koa izany. Manentana ny rehetra izy hampiasa ny ivontoerana amin’ny fitondrana ireo raharaha kolikoly maharary azy. Vo­nona hamaly ny hetahetam-bahoaka ny birao.

R. Nd.

Partager sur: