Nanamafy ny FFKM fa anisan’ny nasaina ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, amin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena, anio, eny Ivato. Nambaran’izy ireo fa misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara amin’izany. « Diniky ny samy Malagasy ary vatsian’ny Malagasy vola », hoy izy ireo.
Mbola hisy fampiofanana sy fanamafisana traikefa ho an’ireo hiatrika ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa hampitovy fomba fijery ireo departemanta amin’ny fakan-kevitra hatao. « Anisany ny Primatiora, ny Fiadidiana ny Repoblika… », hoy izy.
Nankasitrahin’Andrianainarivelo Hajo ny fanapahan-kevitry ny fitondrana, mampihatra ny lalàna ka mamerina ny Nosy Sakatia ho tanim-panjakana. « Efa nanakana ny fanomezana io Nosy io izahay tamin’ny 2019. Tsy manara-dalàna, ary misy taratasy manamarina izany. Nanenjehan’ireo mpitondra teo aloha ahy io nefa nijoroako hatrany », hoy izy.
Kaonty miisa 99 any amin’ny banky nogiazana, momba ny raharaha Ravatomanga Mamy, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny « Agence de Recouvrement des avoirs illicites – Arai ». Nogiazana koa ny kaontin’ireo akaiky azy sy ny an’ny vady aman-janany. Mitentina 88 miliara Ar ny fitambaran’ny vola ao anatin’ireo raha ny 20 miliara Ar efa nafindra ao amin’ny kaontin’ny Arai. Efa mandeha ny dingana hamindrana ny ambiny.




