Famokarana masomboly : Hotantanin’ny fanjakana ny foibe any Anosiboribory

Sompitr’i Madagasikara ny any Alaotra. Maro anefa ny sakana amin’ny fampitomboana ny vokatra. Vaky ny fefiloha Ampariatody, miaro lemaka 3 500 ha, ary betsaka ny tsy azo volena tratry ny tondradrano sy fasika. Misy fefiloha iray hafa manondraka 3 600 ha, mila hamafisina.
Maromaro ny vahaolana nomen’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, nandritra ny fihaonany tamin’ny tantsaha, ny faran’ny herinandro teo. Haverina amin’ny fanjakana ny tany any Anosiboribory, ivontoerana mamokatra masomboly, izay notantan’ny tsy miankina teo aloha. Hotohizana koa ny fizarana masomboly, zezika ary fitaovam-pamokarana amin’ny alalan’ny tetikasa Rizplus. Hafainganina ny fanarenana ny tohadrano Sahamaloto, manondraka tanimbary 10 000 ha.
Nohamafisin’ny minisitra, fa laharam-pahamehana ny fandraharahana ara-pamokarana sy ny fanatsarana ny vola miditra amin’ny tantsaha, ao anatin’ilay hoe «agri-buisiness». Nentanina izy ireo, hampiasa masomboly voafantina, mahatanty fiovan’ny toetr’andro. Ilaina koa ny fambolena legioma sy voamasina mitodika amin’ny tsena.

Njaka A.

Partager sur: