Mivoatra ny niomerika eto Madagasikara saingy mbola vitsy ireo misitraka sy mampiasa izany, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Mitotaly 6,3 % amin’ny fidiram-bola ankapobeny ho an’ny mpanjifa iray ny saran’ny internety 2Go eto amintsika, izany hoe, avo roa heny amin’ny vidiny aty Afrika (3,5%), raha ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena. Lavitry ny fetra 2% amin’ny fenitra maneran-tany izany. Na izany, niakatra 68% ny tahan’ny fandrakofana ny tambazotra 3G/4G saingy mbola ambany io taha io raha oharina amin’ny faritr’i Afrika, izay tafakatra hatrany amin’ny 85%. Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena fa mbola ny hafainganam-pandeha ny internet ihany no ambony amin’ireo tanàn-dehibe, izay 151 Mbps. Ambony io taha io raha oharina amin’ny firenena manodidina. Nilaza ny banky iraisam-pirenena fa nidina ny saran’ny internet teo anelanelan’ny 2021-2024, lasa 6,3% ny fidiram-bola ankapoben’ny mponina raha toa ka 16,4% izany teo aloha. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fanavaozana samihafa napetraka, raha ny fanazavana hatrany. Fantatra fa azon’ny orinasa Telma ny 60% ny tsena, nizara kosa izany telo taona taty aoriana, izay lasa 47% ho an’ny Yas, 53% ho an’ny Orange sy Airtel.
Fiovana
Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana natao ny hisian’ny fifaninana eo amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra sy hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa. Nisy ny fametrahana ny «backbone national» sy ny «câbles internationaux», ny fampidirana ny «Starlink». Izy ireo izay nitondra vokatra toa ny fihenan’ny saran’ny internet, nihatsara ihany
koa ny kalitaon’ny tolotra eny amin’ny tanàn-dehibe. Na izany, «mbola maro ny fanamby. Voafetra ny fisitrahana internet, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa sy ny fidiram-bolan’ny mponina izay ambany», hoy ny solotenan’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou Seck.
Henintsoa




