VAOVAO TAMBATRA

Manahy sahady amin’ny voly vary ny tantsaha eto afovoan-tany manoloana ny rotsakorana misesisy. Manomboka miakatra ny rano any amin’ireo faritra manodidina an’Antananarivo izay ahina hiantraika amin’ny vokatra sy vidiny aoriana kely ao.

Tombony ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano ny rotsakorana amin’izao fotoana. Zava-misy izay manena ny fandaniana ny vola mivoaka andavanandro ka ahafahana indray mandrindra ny fitantanam-bola. Marihina fa mandany 3 000Ar isan’andro farafahakeliny ny tokantrano iray mividy rano.

Tafiditra tanteraka amin’ny vanim-potoana ny fety isika izao. Fotoana mampiakatra tanteraka ny fanafaran’entana sy mampitombo ny vola mivoaka. Mifanandrify amin’izay ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny solika mandritra ny volana desambra izay miantraika betsaka amin’ny toekarem-pirenena.

Partager sur: