Nivaly ny fangatahan’ny sendikan’ny kanto. Nivoaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra ny alin’ny alatsinainy teo, ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2023-405 ary manendry an-dRanjarivo Andriamiharimanana Haja ho talen’ny Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona, na Omda. Tsy zoviana amin’ireo mpisehatra, satria dia efa nitana ity andraikitra ity nandritra ny taona maro izy. Nangatahin’ireo mpanakanto mivondrona ao amin’ny sendikà ny hamerenana azy, noho ny traikefany sy ny tetikasa izay tsy tontosa hatramin’ny farany tamin’ny nanesorana azy ny taona 2023.
Nialoha izao, efa nekena tao amin’ny Filankevitry ny governemanta ihany koa ny tolo-kevitra natolotr’ireo mpisehatra amin’ny asa famoronana. Anisan’izany ny fanavaozana ny rafitra mifehy ny asan’ny mpanakanto, izay avy amin’ny tolo-kevitra novolavolain’izy ireo ihany.
Inoana, araka izany, fa hisy fiovana tsy ho ela, ny sehatry ny asa famoronana, indrindra ny mozika. Anisan’ny nandrandrain’ireo mpanakanto mantsy ny hananany rafitra matihanina, hivelaran’izy ireo bebe kokoa.
Zo ny Aina




