TARATRY ny KANTO

Miantso ny rehetra hanao sonia ilay “Dinan’ny Gen Z Madagasikara ireo mpanoratra. Nanomboka izany ary nanao ny fanentanana Rakotoson Michèle, Raharimanana Jean Luc ary i Johary Ravaloson, izay samy fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny literatiora. Dina izay nangonina an-tambajotra toy ny nitondran’ny Gen Z ny tolona izany, izay mirakitra ny fiarovana ny dingana rehetra vita sy azo atao lasitra ho an’ny fanorenam-pirenena ihany koa.

Hiova daty sy fotoana ilay seho saika hotontosain-dRaboussa ny zoma 19 desambra izao. Raha toa ka tao amin’ny La City Ivandry no nambara voalohany, havadika eny amin’ny Makay izany, ary hatao ny sabo­tsy 27 desambra. Nisy fanamboarana tsy maintsy natao, raha ny nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny SR Event. Tsy hampiova ny tolotra efa nomanin’ny tarika Raboussa kosa anefa ny fiovana.

Ho fanohizana ny Festival Madajazzcar andiany faha-36, farany teo. Hisy ny «Tremplin» hotanterahina any amin’ny Alliance Française Antsirabe, ny alahady 14 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Handray anjara amin’izany ny mpianatra avy ao amin’ny Alliance sy ny Jazz Kids avy ao amin’ny Lovasoa Music School. Marihina fa anisan’ny tanàna manana mpitendry jazz andrarezina Antsirabe.

Partager sur: