Asan-jiolahy tao Toamasina : Roa lahy voaheloka higadra 10 taona

Tsy mitsitsy ny sazy! Roa lahy voaheloka asa an-terivo­zona 10 sy 7 taona, taorian’ny fitsarana azy ireo teo anivon’ ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, afakomaly. Vokatry ny firongatry ny asan-jiolahy izay efa mam­pikaikaika ny rafi-piarahamonina ao an-toerana, tsy mande­fitra manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ny olon-dratsy ny mpitsara. Niakatra fitsarana, tamin’izany, ny lehilahy iray 29 taona sady efa nigadra. “Indroa namita sazy tany am-ponja ka tratra nanao asa ratsy indray izy”, araka ny loharanom-baovao. Halatra narahina herisetra amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana no loham-piampangana azy nandritra io fotoam-pitsarana fahatelo natrehiny io. Taorian’ny fifandaharana rehetra, nilatsaka ny didy famonjana. Voaheloka 10 taona asa an-terivozona io mpanao ratsy io. Ankoatra io, tovolahy 22 taona sy ny namany miisa efatra samy niakatra fitsarana. Voasaringotra noho ny fanaovana fanafihana mitam-pia­diana, niampy fangalarana karazan’entana, izy dimy lahy ireo. Sazy mihatra fito taona avy hatrany no azon’io lehilahy io. Namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana kosa ireo efa-dahy namany izay tsy nanatrika ny fitsarana. Tsiahivina, tsy vitan’ny mandroba vola sy zava-tsarobidy ireo jiolahy ao Toamasina fa misy amin’izy ireo koa mamono. Miafara amin’ ny famoizana ain’olona mihitsy izany.

Sajo

Partager sur: