Vehivavy telo voasambotry ny polisim-pirenena teny Andraisoro, ny 9 desambra 2025, tokony ho tamin’ ny 11 ora atoandro, lasa teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny Andraisoro Ampasambahiny izy ireo. Nofatorany ny mpanampy tao amin’ilay trano ary nalain’izy ireo ny vola 2 000 000 Ariary, tablette iray, finday telo ary fitaovana fikojakojana amin’ny taovolo. Nahatsikaritra izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nampandre ny polisy.
Nidoboka vonjimaika am-ponja, ny 9 desambra 2025 lasa teo, ny lehilahy iray mpanao sinto-mahery any Manjakandriana. Voasambotry ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsy izy ny marain’ny 8 desambra 2025 teo. Efa nampimenomenona olona maro teny an-toerana amin’ny asa fanendahana izy io. Tonga nitory teny amin’ny biraon’ny polisy ny vehivavy iray lasibatr’izany asa ratsy izany ka natao ny fanaraha-maso. Nangalatra findain’olona iray izy ary nikasa handositra, izao tratra izao.
Lehilahy sy vehivavy iray, voarohirohy tamin’ny famonoana dokotera iray tany Ambanja voasambotry ny polisim-pirenena. Nisy namono tany Tanambao V, Ambanja, ny 21 novambra 2025 tolakandro, ny dokotera iray 46 taona, miasa ao Ambanja. Natao ny fanadihadiana ka fantatra fa ny mpanampy azy no namono azy, izay efa nitsoaka nandositra. Natao ny fikarohana ka tratra tao Ambositra, ny 02 desambra 2025 teo, ilay lehilahy, raha voasambotra ny 03 desambra 2025 tao Ambositra ilay vehivavy. Mpanampy an-trano tao amin’io dokotera io ity farany.




