Be ny vokatra

 

Mitobaka manerana ny tsena ny karazam-bokatry ny tany sy ny rano. Tena varo-boba manerana ny tsena izany legioma sy voankazo izany. Dakan’ny “alika”, araka ilay fiteny hafahafa mahazatra an-dRamalagasy ny mahakasika azy ireny. Misy higalabonana tokoa, indrindra ho an’ny tsy tia hena. Ny hazandrano izany dia tena maro isafidianana na ny an-dranomamy na ny an-dranomasina.
Inona no ilazana izany? Mahavariana sy mahalasa saina ny mahita ny Malagasy sasany mbola milaza fa maty noana. Misy ireo milaza fa tsy manan-kohanina, ka mirona any amin’ny fanaovan-dratsy. 200 Ar amin’izao dia efa mahazo karoty, 500 Ar efa mahazo legioma hafa azo hohanina. 1000 Ar dia efa mahazo katsaka iray kapoaka izay mahavoky olona telo aman’efatra.
Ny tolotra ho an’ny mpanjifa dia misy sy azon’ny besinimaro vidiana tsara. Ny manahirana fotsiny dia ilay fomba amam-panaon’ny Malagasy: “sarotra ny miala amin’ny mahazatra ity”. Tahaka ny efa tsy misakafo na fara hidiny izany rehefa tsy mihinam-bary. Ity farany anefa izay sady kely no miaka-bidy andro aman’alina. Raha vao tsy hita kely dia mampanaotao foana.
Mitaky fanovana fomba fisaina sy fomba fiaina, ary fahazarana ara-tsakafo izany. Tsy vitan’ny olom-pirenena tsotra izany. Tokony mba hisy angamba ny politikam-pirenena misahana ny sakafo. Efa manana ny Ofisim-pire­nena momba ny sakafo isika. Tsy hita mivaingana anefa ny tena tetikasa na asa vitany. Zary fandaharanasa fakana famatsiam-bola sy fandaniam-bola no misy.
Raha ny zava-misy eto Madagasikara anefa, tsy tokony ho olana mihitsy ny resa-kanina sy ny fihinanan-kanina. Maro sady azo isafidianana izay tiana ny vokatra. Zakan’ ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano rahateo!

r.r

Partager sur: